Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny taom-pianarana 2024-2025, ho an’ny sekoly Paul Minault Androhibe. Tamin’izany koa ny fandraisan-tanana ireo mpianatra afaka fanadinana ara-panjakana (CEPE, BEPC, BACC) izay nahatratra 80% eo ho eo. Nisaorana ary natao veloma ireo mpanabe handeha hisotro ronono.
Tetsy ankilany, notokanana ireo fotodrafitrasa toy ny trano fivavahana , lalana vita amin’ny tara, toeram-pilalaovana baolina kitra…
Ireo fotodrafitrasa ireo dia ezaky ny sekoly nefa koa nisy ireo mpiara-miasa nanampy ho fampandrosoana sy hanohanana ny fanabeazina. Tanjona koa ny hampitombo ireo fotodrafitrasa hafa entina manatsara ny tolotra fampianarana.
Hamerina ny herin’ny sekoly ho sangany eto Madagasikara ny tanjon’ny mpitantana ny sekoly. Efa namoaka olomanga maro ny sekoly ary reharehan’izy ireo izany. Ankoatra izany, ny hamolavola ny mpianatra ho tomponandraikitra sy mahitsy ary matahotra an’Andriamanitra.
Tsiahivina fa niforona ny taona 1901 ny sekolim-pinoana Paul Minault, eo ambany fiahian’ny FFPM. Manana kilasy garabola hatramin’ny kilasy famaranana ny sekoly ary mpianatra 360 no mianatra ao, ankehitriny. Mpandraharaha sy mpampianatra 45 mianadahy kosa no misahana ny fampianarana. Ny sekoly dia manana ny kilasimandry zazavavy sy zazalahy ary mametraka ny fanabeazana miaty.
Tatiana A