Resin-tory ny tompon-trano: lasan’ny jiolahy ny entana rehetra tao an-trano

Mivoatra hatrany ny asan-jiolahy mpamaky trano ao Toa­masina. Tsy tranohazo na varavaran-kazo intsony no vakian’ireo olon-dratsy fa ma­hasahy mamaky vavahady vy sy varavaram-by mihitsy ireo jiolahy. Tsy re tsaika ihany koa ry zalahy rehefa miditra ao an-trano. Tranovato sy va­vahady vy miaraka amin’ny va­ravaram-by no nidiran’ny jiolahy ny alarobia alina teo. Tsy nisy naratra ny olona tao an-trano fa najifa tanteraka ny entana lafovidy maro tao an-trano. Toy ny fitaovan-dakozia, vilany, vary fotsy anaty daba sy tanaty gony miisa 10 kitapo, fahitalavitra fisaka lehibe, finday avo lenta miisa dimy, lamba anaty sakaosy, vola tanaty poketra. “Tena tsy nisy zavatra henonay fa tokony tamin’ny 4 ora maraina, nifoha hipipy aho. Jereko toa ma­za­va tampoka tao an-trano sady mahatazana eny an-tokotany avy hatrany aho », hoy ny fanazavan’ny tompon-trano. Hay ny varavarana nopitsohin’ireo jiolahy teo amin’ny fitoerany. Nivoaka ny tompon-trano vao nahita fa vaky koa ny vavahady. Nahi­ta­na diana kodiaran’ny fiara teo ivelany. Niton­dra fiara mihitsy ireo jiolahy nandritra ny vaky trano. Mana­hy ny tompon-trano fa mety ni­tondra fanafody fampatoriana ireo olon-dratsy ka antony tsy nahenoan’izy ireo ny fidiran-dry zalahy tao an-trano. Mandeha ny fikarohana sy ny fandihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity.

Sajo/J.C

Partager sur: