Oniversiten’Antananarivo : Heverina ny hisian’ny Fakiolten’ny farmasia

Mikasa ny hanorina fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny fondation Pierre Fabre sy ny fondation Mérieux. Toerana ho an’ny Fakiolten’ny farmasia mahaleo tena fa tsy misy ifandraisany amin’ny Fakiolte mampianatra ho mpitsabo no heverina hatao amin’izany.
Mikendry ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ary manome sehatra ho an’ireo tanora maniry ny hianatra ny momba ny farmasia ny tetikasa. Mbola malalaka ny sehatrasa mahakasika izany eto Madagasikara ary maro ireo tanora maniry ny hianatra amin’ io lalam-piofanana io.
Manohana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ireo fondation roa ireo mba hahalavorary ny fananganana ny tetikasa.
Efa mpiara-miasa amin’ny Mesupres amin’ny fanavaozana fotodrafitrasa maro sy fampiroboroboana ny fikarohana rahateo izy ireo.
Nisongadina izany dinika izany nandritra ny fihaonan’ny Pr Julien Salava, sekretera jeneralin’ny Mesupres sy Barbe Solenne, talen’ny fandaharanasan’ny Fondation Pierre Fabre. Teo koa ny tomponandraikitry ny Fondation Mérieux eto Madagasikara, Rakotoarisoa Luciana

Tatiana A

Partager sur: