Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana ny eo anivon’ny fikambanana tsy miankina, ONG Andry antoky ny hoavy (2AH), ny faran’ny herinandro teo. Nosantarina tamin’ny alalan’ny fizarana kojakoja ilaina ho amin’ny fiainana andavanandro (PPN) ho an’ireo zokiolona sy mpiray finoana izany, teny Masindray, Avaradrano. Notanterahina tamin’izany koa ny fitsofandrano azy ireo amin’ny hanohizana ny asa fanasoavana ny mpiara-monina eny an-toerana, indrindra amin’izao faha-20 taona izao. Notohizana tamin’ny alalan’ny fiaraha-nisakafo, nofon-kena mitam-pihavanana izany.
Anisan’ny ezaka sy asa hatrehina ny fanomezan-tanana amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanomezana vary maimaimpoana vokatry ny fiaraha-miasan’ny fikambanana amin’ny governemanta pakistaney. Natao hiatrehina izao maitsoahitra izao izany. Na izany aza, iandrasana ny fankatoavana avy amin’ny fanjakana ny ahafahana manohy ny fitsinjarana izany ho an’ny vahoaka. Hatsangana koa ny foiben’ny fikambanana sy ny hanitarana izany any amin’ny faritra hafa.
Etsy andaniny, hanome andrin-jiro ho an’ny kaominina Masindray ny ONG mba hahafahana manolo ireo efa boboka sy lo. Tafiditra ao anaty asa hatao amin’ity taona ity koa ny fanamboaran-dalana ao amin’ity kaominina ity. Marihina fa filoha mpanorina ny fikambanana, Andriamihaja Andriatsimiandriambony Iadjah, filohan’ny “Association d’aide humanitaire”.
Synèse R.