Profesoran’ny Oniversite eto Madagasikara : Nanatanteraka fihaonambe tao Toamasina

Tontosa tao Toamasina, ny 13 ka hatramin’ny 19 desambra lasa teo, ny fihaonamben’ny fivondronan’ny profesora tompon-toerana sy ireo tsy raikitra (collectif des professeurs titulaires et professeurs de Madagascar) “C.P.T.P.M ” efa mpikambana na tsia.

Misy andiany mbola mpianatra koa, araka ny nohamafisin’ ireo mpikaroka hamelabelatra ny voka-pikarohany ara-tsiatifika sy araka ny lalàna. Notolorana fankasitrahana rahateo ireo nahavita ny famelabelarana ny voka-pikarohana nataony izay manana endrika iraisam-pirenena ary neken’ny Von­drona eoropeanina.
Zava-dehibe maro no nivoaka nandritra ny herinandro nikaonan-doha tetsy amin’ ny efitranon’ny Port Academy Center Toamasina. Noresa­hina fatratra ny momba ny fahazoana alalana sy diplaoma amin’ny tomponandraikitry ny fikarohana H.D.R (Habilité à diriger des recherches) sy dokotera izay himasoan’ny fivondronan’ny profesora tompon-toerana sy profesora eto Madagasikara. Nohafama­sin’ ny vondron’ny profesora ha­tra­ny fa fotoan-dehibe tamin’ ireo zandry ity fihaonana ity satria nahafahan’izy ireo nandray ny traikefan’ireo zoky teo amin’ny fombafomban’ny fikarohana ara-tsiantifika sy «juridique».
Nambaran’ny profesora, Andriamparany Rakotomavo, fa amin’ny lalàna vaovao laharana faha -135/2023 – Me­supres, tamin’ny 20 oktobra 2023, momba ny “toge” dia ny kolektifa no miasa miaraka amin’ny minisitera amin’ izay fombafomba hanantaterahana io lalàna io. Misy milaza fa ny mpiasam-panjakana ihany na profesora amin’ny Oniversite ihany no afaka manao azy, ary hisy galona ho mari-pamantarana ny tsirairay amin’ny fahaiza-manaony anivon’ny fikarohana.
Nohamafisin’ity profesora ity hatrany ny fomba fitondran-tenan’ny samy anivon’ny fi­vondronan’ny profesora anivon’ny Oniversiten’i Mada­gasikara fa ilaina ny fanajan-tenan’ny tsirairay mialoha ny hanajan’ny hafa azy ireo.

Sajo

Partager sur: