Rehefa nanaparitaka ilay fanairana miloko mavo ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, momba ny filazana mahakasika ny fiverenan’ilay rivodoza Dikeledi nanao tampody fohy. Mizotra mianatsimo nanakaiky an’i Madagasikara izy rehefa avy nandravarava tatsy Mozambika. Nampandraisana andraikitra avy hatrany eny ifotony, amin’ny fanaparitahana ny fanairana nataon’ireo tomponandraikitra ireo warner (mpanaitra mialoha). Solontenan’ny mpiara-belona eny ifotony voatsonga manokana hanara-maso ireo singa sy trangan-javatra mety hivoatra sy hiovaova miandalana izy ireo. Hampisongadina ny mety fisian’ny loza mananontanona sy/na mety manambana na koa loza mitatao.
Zarainy amin’ny mpiantsehatra rehetra handraisan’ny tsirairay fepetra matotra tandrify azy ny fivoarana singa ahafahan’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny mandray fanapahan-kevitra mifandraika amin’ny haavon’ilay fanairana azo. Olona miaina eo anivon’ny fiarahamonina ny mpanaitra ary tomponandraikitra mavitrika mandray anjara ao anatin’ny komity kaominalin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (CCGRC).
Vonjy