FIZAHANTANY : Mahaliana ny Tiorka i Mahajanga

Nitsidika ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, ny Pr Randrianambinina Blanchard, ny profesora roa avy any amin’ny Université Afyon Kocatepe (Turquie) : Pr Pamukcu Huseyin (département de la gastronomie et de l’art culinaire) sy ny Pr Naim Karasekreter (département de la technologie de l’information), tamin’ity herinandro ity.
Nambaran’ireo vahiny fa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversite roa tonta amin’ny alalan’ny Ivontoeram-pampianarana momba ny fizahantany ao Mahajanga. Ho fanantanterahana izany, hisy ny fifanakalozana mpianatra sy mpampiofana ho fampivoarana ny tetikasa « Erasmus Plus ».
Nanao famelabelaran-kevitra ho an’ny mpianatra ao amin’ity ivontoeram-panofanana momba ny fizahantany ity koa izy ireo. Lohahevitra nozaraina ny fampisakafoana « Halal » sy ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy ho an’ny fizahantany. Mbola nihaona tamin’ireo mpitantana ny ivontoeram-panofanana ihany koa avy eo.
Namantatra ireo toerana sy ny zavatra mety hahaliana ny mpizahatany tiorka ao Mahajanga izy ireo, taorian’ny fihaonana tamin’ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga.

Vonjy

Partager sur: