Nitondra orana betsaka ho an’i Toliara ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tao an-toerana ary mbola nitohy izany nandritra ny efatra andro izay. Ambany noho ny ranomasina ny toerana misy an’i Toliara ara-jeografika. Noho izany, miakatra ny rano eo an-tampon-tanàna indrindra amin’ireo fokontany manodidina. Tsy ampy anefa ireo fitaovana entina mamoaka rano. Vokany, herinandro mahery vao ritra tanteraka ireo rano mihandrona, hoy ny lefitry ny ben’ny Tanàna ao Toliara, Manasoa Patrick.
Ahalalana ny tena olana sy hitondrana vahaolana, nisy ny fanavaozana ny drafitra entina miatrika ny loza ho an’i Toliara sy ny faritra atsimo Andrefana iray manontolo. Mitarika ny fivoriana ny ekipan’ny BNGRC ary mamatsy vola ny Croix Rouge Malagasy sy ny Unicef. Tonga miatrika ny fanavaozana ny drafitra entina miatrika ny loza ireo distrika valo mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana. Maro amin’ireo distrika ireo no manamorona ranomasina ka marefo kokoa amin’ny rivodoza avokoa. Nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi, nahatratra 632 ireo niharam-boina tao amin’ny distrikan’i Morombe noho ny fiakaran’ny ranomasina. Anisan’ny sahirana koa ny mponina ao Itampolo ao Ampanihy satria amoron-dranomasina.
Vonjy