«Andraikitry ny Foloalindahy manoloana ny firenena». Io no lohahevitra entin’ny Tafika Malagasy miatrika ny fivoriamben’ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, omaly. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police Rakotoarimanana Herilala, ny minisitra Delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara Andriamitovy. Nanatrika izany ireo tomponandraikitra ambony anivon’ny fibaikoana ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana (FDS) raha ireo tomponandraikitra manerana ny Nosy no mandray anjara. Nisy ny fizarana ny tomban’ezaky ny asa vita ny taona 2024 sy ny asa miandry mandritra ny taona 2025 nataon’ny mpandrindra ankapoben’ny tetikasa ao amin’ny MFA, ny Jly Razafitombo Ely. Nisy ny fampahafantarana ny momba ny birao nasionaly misahana ny loza sy tandindomin-doza (BNGRC), ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina, ny Centre de fusion des informations maritimes (CFIM) ary ny Centre Regional de fusion des informations maritimes (CRFIM). Nisy, araka izany, ny famelabelarana momba ny asa hiantsorohan’ny Foloalindahy. Nisy koa ny tsoa-kevitra nivoitra taorian’ny fivoriana haparitaka ho an’ireo sampandraharaha sy ratsamangaikan’ny minisitera.
Jean Claude