Nisy ny fizarana “certificat” ho an’ny tantsaha niofana tamin’ny fiompiana kisoa niaraka tamin’ireo teknisianin’ny Bio Ferme. Miisa 210 ireo voaofana tao amin’ny distrikan’i Manandriana ho famoronana asa ho an’ny vehivavy. Nanomana sahady ny fankalazana ny 8 marsa ho avy ireo vehivavy 600 nanatrika ny hetsika. Nandritra izany koa no nifampirarian’izy ireo soa noho ny taona vaovao.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazam-pirenena, omaly. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe : «L’IA et l’éducation : préserver l’autonomie dans un monde automatisé».
Zava-dehibe ny fanabeazana hivezivezena amin’ny tontolo mandeha, hitehirizana ny fahaleovantenan’ny olombelona, ary hanomanana ny taranaka ho avy amin’ny fanamby ara-teknolojika. Anisan’ny fitaovana mampihena ny tsy fitoviana koa ny fampianarana, araka ny nambaran’ny Unicef tao amin’ny tambazotra seraserany.