Fanamby napetraky ny filoha’ny Repoblika tamin’ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, ny fanatsarana sy fampiakarana ny lentan’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Hirosoana amin’ny tanjona, notanterahina nandritra ny roa andro tao Mantasoa ny atrikasa karakarain’ny minisitera momba ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Nandray anjara ao avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampianarana ambony, ny vondron’ny profesora eto Madagasikara, ireo filohan’ny oniversite manerana ny Nosy, ireo tale jeneralin’ny IST telo sy ireo filoha mpisolo toeran’ireo oniversite manakaiky vahoaka ary ny mpikambana avy ao amin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka Mpampianatra (Seces).
Mialoha ny atrikasa, efa natao ny fakan-kevitra tamin’ireo mpisehatra rehetra ireo. Satria, niara-niaiky ny rehetra fa nihen-danja ny kalitaon’ny fampianarana. Noho izany, kendrena ny hitondrana vahaolana sy handraisana ny hevitry ny maro manoloana io fidinan’ny kalitaon’ny fampianarana io. Aorian’ny atrikasa no hivoaka ny fehin-kevitra hanarenana izany.
Anisan’ny lahadinika ny fomba fitantanana eny anivon’ny oniversite sy ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay. Nodinihina koa ny fepetra ara-tsiansa amin’ny fampitoviana ny lanjan’ny diplaoma “Doctorat” sy “Habilitation à Diriger des Recherches” ary ny fijerena manokana ny fahaiza-manaon’ireo hisehatra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony. Tafiditra amin’izany ny fanajana ny soatoavina, ny fitondran-tena sy etika ary deontôlôjia.
Vonjy