Nifarana tanteraka ny alakamisy teo, ny fandaharanasa Usaid Access izay nifantoka tamin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara. Natao ny fifampizarana sy ny lesona azo tsoahina ary ny fijerena ny faharetan’ny vokatra izay napetraka horaisin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Tokony hahaleo tena ny eny ifotony amin’ny sehatry ny fahasalamana sy hampaharitra ny lova napetraky ny tetikasa.
Enin-taona no niarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamana niasa tamin’ny fanadaharanasa, nanomboka ny taona 2019. Nanaparitahana ekipa tamin’ny faritra 14 eto Madagasikara ary nandrakotra ny distrika 87 sy ny fokontany rehetra ao amin’izany ny tetikasa.
Horaisin’ny governemanta sy ny minisiteran’ny Fahasalamana an-tanana manomboka eto ireo fomba fiasa rehetra izay niarahana nametraka tamin’ny Usaid Access.
Tanjon’ny tetikasa ny fanatsarana sy fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana nomena ny vahoaka.
Mpanentana ara-pahasalamana miisa 18 000 no niasa teny amin’ny fokontany saro-dalana sy alavitra andriana. Nofanina hitsabo ireo aretina tsotra mpahazo ny ankizy eny amin’ny fiarahamonina koa izy ireo. Anisan’izany ny tazomoka, ny fivalanan’ny zaza ary ny aretin’ny taovam-pisefoana.
Voapetraka ny rafitra hahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana manohy sy manamafy ny fahaizany sy ny kalitaon’ny tolotra omeny ny vahoaka. Teo koa ny ezaka teny anivon’ny hopitalin’ny distrika miisa 60 tao amin’ny faritra 11.
Tatiana A