Mpivady niady : vehivavy maty nokapain-drangahy antsy

Voasambotry ny polisim-pirenena, omaly maraina, tao Sambava, ny lehilahy voatondro ho nahafaty ny vadiny. Naharay antso mahakasika ny tranga tao amin’ny fokontany Antanifotsy-Sambava, ny mpitandro filaminana. Nidina teny an-toerana ny polisy sy ny dokotera nijery ny zava-nisy. Misokatra ny fanadihadiana. Vehivavy iray 28 taona, tsy nisy aina intsony no novantanina teo an-toerana. Kapa antsy teo amin’ny hatony no nahafaty azy, hoy ny fanazavana voaray. Voatondro ho tomponantoka ny vadiny. Nifamaly izy mivady ny alin’ io. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana ny fifamaliana. Taorian’ny voina, nokarohina ilay lehilahy vadiny. Voasam­botra fotoana fohy taorian’io. Natao famotorana, niaiky fa izy tokoa no namono ny vadiny. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: