Namontana : jiolahy iray voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe (CUI3) tetsy Namon­tana/Anosibe, afakomaly, ny jiolahy iray, raindahiny amin’ ny halatra sy fanafihana mitam-piadiana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ta­min’io fotoana io, lehilahy iray no narahana jiolahy efatra. Rehefa lasa lavidavitra, nohodidin’izy ireo ity raim-pianakaviana ity. Nony tafiditra afovoany, samy nanao ny asany izy efa-dahy. Ny sasany mibahana ny lalany, ny hafa kosa manambana amin’ny antsy, tao indray ireo naka ny vola tany aminy. Lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 2 tapitrisa Ar. Olona teny amin’ny manodidian no nampandre haingana ny polisy. Tonga ara-potoana izy ireo, saingy tafaporitsaka ny telo raha tratra kosa ny iray. Natolotra ny SUT Tsaralalana ny fanohizana ny fanadiha­diana.
Mpanao sinto-mahery iray koa tratran’ny polisy teny amin’ny Tetezan-dRamala Isotry, omaly. Tratra teo am-panendahana olona iray izy kanefa efa nisy polisy nihatrana teny an-toerana ka noraisim-potsiny izy.

Jean Claude

Partager sur: