Taorian’ny fahavakisan’ilay fefiloha Ambohimirary Ampitatafika, nisy avy hatrany ny fampivondronana ireo sampandraharaham-panjakana afaka mifanome tanana amin’ny fanarenana vonjimaika ny fotodrafitrasa.
Nifanampy sy manao tantsoroka eo akaikin’ny Apipa amin’izany fanaovana asa fanarenana vonjimaika eo ambany fandrindran’ny BNGRC izany ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimarim-pirenena. Ahafahana mandrindra ny asa rehetra ilaina atao, mifanampy amin’ny fanafainganana ny fanatanterahana ny asa fanarenana vonjimaika eo amin’ilay fefiloha ny rehetra. Eo koa ny fanomanana sahady ny fanatsarana sy ny mety ho fanamboarana lalan-drano. Fampiakarana koa ny haavon’ilay lalana hitovy tantana ho an’ilay lalana 600 m hiampitana aty Malaza mankany Ambodiafontsy.
Ankoatra an’ireo hazo 500 sy gony 500 nomen’ny Apipa hoenti-miasa, nanampy hazo 750 koa ny BNGRC sy gony 1000. Harafitra ny rindrin-gonim-pasika hikatonan’ilay fahavakisana teo amin’ny fefiloha. Miaramila 150, zandary 20 ary solontenan’ny fokonolona 20 no niasa, ny sabotsy lasa teo. Efa nanao fitiliana nidina teny ifotony ny fitaleavana misahana ny asa anaty hamehana ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny fitaleavam-paritry ny asa vaventy eto Analamanga.
Efa niomana tamin’ny zavatra mety hitranga manoloana ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondradrano ny Apipa, rehefa naharay ny fampahafataran’ny Foibe famantarana ny ny toetry ny andro fa ho mafy ny rotsakorana tamin’iny herinandro iny, hoy ny fanazavana.
Noho ny rotsakorana nisesy, vaky ny fefiloha Ambohimirary Ampitatafika, ny alakamisy hariva. Tanimbary 350 ha no voakasiky ny fahavoazana eny Ampitatafika ary mpamboly miisa 650 no lasibatra vokatry ny fahatondrahan’ny tanimbary.
Ao anatin’ny fihatrehana ny tranga tahaka izao no ahatsapana fa tena zava-dehibe ny fanamafisana ny fefiloha sy ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra ahafahana miaro ny lemaka mba tsy hisian’ny voina tampoka.
Vonjy