Ho an’ny telo volana voalohany, manomboka ny febroary hatramin’ny avrily, vinavinaina fa hanodidina na ho ambony noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana manerana ny faritra Alaotra Mangoro. Raha oharina tamin’ny taona lasa 2024 izany, tombanana fa mety hitovitovy na ho latsaka kely. Mandritra ny febroary, ahina mbola hisy andro maina maro mitohy.
Notanterahina tao amin’ny tranon’ny zokiolona Ambositra ny fiarahabana tratry ny taona. Mpikambana 500 no tonga nikorana sy nidinidinika hanatsarana ny fikambanana. Hisy koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana hatao an’ireo zokiolona eny amin’ny CHRR Ambositra, rahampitso
Hihena tsikelikely ny herin’ilay andro ratsy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, ato anatin’ny roa andro manaraka. Tsy hisy fiforonana rivodoza hahakasika mivantana ny Nosy, amin’ity herinandro ity. Ny tsiokan’ny talio no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Hisy orambaratra mitsitokotoko any amin’ny ilany avaratra andrefana, andrefana ary atsimon’ny Nosy, amin’ity herinandro ity. Ho maina kosa any an-kafa.
Nidinidinika ho fanatsarana ny fomba fiasa ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana sy ny solontenana mpitarika ny Syndicat des Contrôleurs du Travail (SCTM) sy ireo fivondronan’ny sendikaly Solidarité Syndicale de Madagascar (SSM). Samy miantoka ny fampandehanana ny asa aman-draharaha eny anivon’ny tontolon’ny asa avokoa ny Contrôleurs du travail sy ny SSM. Nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo sendika ireo.