Hanara-maso ny fivarotam-panafody : Hiasa avy hatrany ireo pharmaciens inspecteurs 20

26 taona lasa no nisy fivoahana pharmaciens inspecteurs nahazo fiofanana farany teto Madagasikara. Ireo mbola am-perinasa kosa, efa lasa nisotro ronono avokoa, ny taona 2020.

“Tao anatin’ny efatra taona farany, tsy na­nana pharmaciens ins­pecteurs intsony ny minisite­ran’ny Fahasalamam-bahoaka ka natao laharam-pahamehana ho an’ny minisitera ny fano­fanana”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo, teny Anosy, omaly. Nanao fianianana izy 20 mianadahy nivoaka ho pharmaciens inspecteurs izay officiers de police judiciaire avokoa ary handray ny asany avy hatrany. Mampanara-dalàna ny tontolon’ny fivarotana fanafody eto Madagasikara no andraikitra voalohany sahanin’izy ireo ary tafiditra amin’ny sata mifehy ny fahasalamana ny pharmaciens inspecteurs.
Manana ny fahaiza-manao amin’ny fanaraha-maso ny tsy fanarahan-danàna rehetra sy mitondra ny raharaha eny anivon‘ny fitsarana izy ireo. An­toka amin’ny fampanarahan-dalàna sy ny kalitaon’ny fanafody omena ny marary ny fisian’ireto teknisianina ireto. Raha ratsy ny kalitaon’ny fa­nafody tonga eny am-pelatanan’ny marary, mety hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy na koa tsy mahasitrana azy, araka ny fanazavan’ny mini­sitra ihany.
Efa fantatry ny minisitera avokoa ny sokajin’ireo tsy fa­narahan-dalàna misy momba ny fivarotam-panafody fa tsy mbola afaka niasa noho ny tsy fisian’ny pharmaciens inspecteurs.
Nosinganiny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fanaovana dokambarotra sy fivarotana fanafody amin’ny tambajotra sosialy izay mahazo vahana amin’izao fotoana izao.
Nampitandrina ny minisitra fa hiasa avy hatrany ny olona vita fianianana ary afaka ma­nakatona ny toeram-pivarotam-panafody avy hatrany sy mitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Entanina ireo maniry ny hanokatra toeram-pivarotana fanafody na efa manana fa tsy manaraka ny fenitra mba hiditra amin’ny ara-dalàna.

Vonjy

Partager sur: