Fampianarana ambony : Nangataka tohana hanatanterahana ny vina

Nanatanteraka fihaonana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny minisiteran’ny Fam­pia­narana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny fiandohan’ ny herinandro teo. Fihaonana izay notarihin’ny profesora Chaminah Loulla sy ny mpiara-miasa aminy. Natolotra nandritra izany ireo vina sy ny tetikasan’ny minisitera efa an-dalam-panatanterahana sy ireo mbola ho avy. Miompana amin’ny laharam-pahamehana dimy ireo vina natolotra : fiantohana ny fahamarinan’ny fizotran’ny fanadinana bakalorea, fanavao­zana sy fanarenana ny fotodrafitrasa, fitondrana tsara tantana, fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra ary ny fihaonambe nasionaly momba ny fampianarana ambony. Niantso ny fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka tsirairay ny minisitra hanatanterahana ity vina ity. Nanatrika ny fivoriana ny solontena avy amin’ny Vondrona Eoropeana, ny Service de Coopération et d’Action Culturelle (SCAC) eo anivon’ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, ny Fonds des Nations unies pour l’enfance, ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF), ny Agence Française de Développement (AFD) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro hafa.

Vonjy

Partager sur: