Miha mahazo vahana hatrany ny rahom-baratra miaraka amin’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Nitondra rotsakorana betsaka tamin’ny faritra andrefana sy atsimo adrefana izy tato anatin’ny 24 ora farany. Satria, nahatratra 107,7 mm ny rotsakorana voarefy tao Morombe raha 49,8 mm kosa ny tao Toliara, ny fiandohan’ny herinandro teo. Mikorontana tanteraka hatrany koa ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka andrefana, atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy. Omaly maraina, tany amin’ny manodidina ny 225 km andrefana somary atsimo andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’ity faritra andro ratsy ity. Niakatra ho 55 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 75 km isan’ora izany, indrindra ao anaty oram-baratra. Nikisaka nianatsimo somary atsimo atsinanana izy ka nahafaka 9 km isan’ora. Ho an’ny dimy andro manaraka, vinavinaina ho tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo hivoarany. Mety hitombo hery miandalana indray ity andro ratsy ity ato anatin’ny 30 ora manaraka ka ahina hivadika ho rivodoza. Tombanana tsy hikasika mivantana ny faritra Atsimo sy Atsimo andrefana izany.
Mbola hitondra rotsakorana betsaka hatrany kosa izy ho an’ny tapany atsimo sy atsimo andrefana, hatramin’ny rahampitso. Tsy misy ny filazana loza mahakasika ity andro ratsy miforona ity fa namoaka fampitandremana momba ny fahabetsahan’ny rotsakorana sy ho an’ny mpampiasa ranomasina ny foibe famantarana ny toetry ny andro, izay manara-maso ny fivoaran’ity tranga ity.
Manentana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Morombe hatrany Taolagnaro tsy hiandriaka mandra-pahalasan’ny loza tanteraka ny tomponandraikitra.
Vonjy