Tonga niarahaba ny minisitry ny Indostria, varotra sy fanjifana (MICC), teny Ambohidahy, tamin’ny 5 janoary, noho ny taona vaovao 2023, ny delegasiona avy amin’ny EDBM (1), ENAM (2), ary Sirama (3). Ambentin-tenin’ny minisitra tamin’io fotoana io ny hoe « fanohizana ny efa natao no laharam-pahamehana ». Mila ezaka, noho izany, ny fanohizana ireo tetikasa efa natomboka.
Araka ny tanjona napetraky ny MICC sy ny EDBM dia ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, manamora ny fampiasam-bola eto Madagasikara sy ny fananganana indostria, amin’ny alalan’ny Taninketsa Indostrialy.
Ny fiarahana amin’ny Sirama indray, ny hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ka anisan’izany ny fananganana indostria mamokatra siramamy, izay mampihena ny fanafarana izany avy any ivelany. Mizotra mankany amin’izany ny tetikasa.
Ny vondrona « Volamahitsy » nivoaka tao amin’ny ENAM kosa dia ny minisitra no mpiahy azy ireo, ho tambin’izany nanome toky ireo mpianatra vao nivoaka fa ho ohatra tsara amin’ny fahaizana sy fifehezana ny asa.
Ndrina
EDBM (1) : Economic Developement Board of Madagascar
ENAM (2) : Ecole Nationale d’Administration de Madagascar
Sirama (3) : Siramamy Malagasy