Eo am-panarenana ny zotra an-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa mankany Manakara. Nosoloina ny komity mpitantana ary efa tonga any Fianarantsoa ny lohamasinina nalefan’ny orinasa Madarail.
Mandeha ny fanarenana ny zotra an-dalamby FCE. Nofoanan’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 4 janoary teo, ny Komity mpitantana teo aloha. Hamoaka didim-pitondrana kosa ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), hananganana ny Komity fanarenana ny FCE. Mpitantana itambarana no hita ao anatin’ity komity ity, hamaritra ny paikady hanarenana ny FCE, handamina ny fitantanana ankapobeny, ny lafiny ara-panjakana, ny ara-teknika, ny ara-bola, ny fanaraha-maso ny fitaovana sy ny fotodrafitrasan’ny FCE.
Hakan-kevitra ny olomboafidy…
Hosahaniny koa ny fankatoavana ny drafitrasa isan-taona ahafahana miantoka ny fanarenana amin’ ny alalan’ny fampandehanana indray ny FCE. Mitarika ny komity ny minisitera mpiahy MTM. Ity komity iombonana ity no hametraka ny rafitra mpanatanteraka avy eo.
Hisy koa ny mpikambana fakana hevitra, ahitana olom-boafidy na olom-boatendry any amin’ny faritra sy distrika andalovan’ny zotra Fianarantsoa hatrany Manakara. Hiandraikitra ny rafitra mpanatanteraka ny fitantanana ny orinasa, ahitana ny solontena avy amin’ny minisitera sy ny mpiasa.
Taorian’ity fanapahan-kevitra ity, efa tonga any
Fianarantsoa ny lohamasinina, nalefan’ny orinasa Madarail. Fepetra vonjy taitra ity noraisina ity, ahafahana mamerina ny zotra an-dalamby.
Mbola mitokona ny teknisiana mahafehy ny lalamby
Tsy nandeha ny zotra nanomboka ny jolay 2022, taorian’ny fitokonana nataon’ ny mpiasa satria tsy voaloa ny karaman’izy ireo. Simba matetika koa ireo lohamasinina nafarana avy any Espaina. Voalaza fa efa niverina niasa ny ankamaroan’ny mpiasa nitokona. Teknisiana sy mpahay sady mahafehy ny fiaran-dalamby kosa ireo mbola tsy miasa.
Kaominina sy tanàna maro no miankin-doha tanteraka amin’ny zotra FCE. Zary mitoka-monina izy ireny ankehitriny, satria tsy misy ny lalana andehanan’ny fiara, ka mihitsoka ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra.
Njaka Andriantefiarinesy