Mihamitotongana ny fiompiana landy (soie sauvage) eto Madagasikara, indrindra fa amin’ny faritra afovoan-tany. Efa nisy orinasa malaza mpiompy landy fantatra hatrany ivelany, satria tsara ny vokatra. Raha tany amin’ny 100 taona lasa, nisy 400 t isan-taona ny vokatra, 100 taona aty aoriana 70 t sisa tamin’iny 2022 iny. Anton’izany dia noho ny aretina mahazo io biby fiompy io sy ny doro tanety manimba ireo voaroihazo sakafony, ary ny fahanteran’ny fitaovam-pamokarana.
Koa minisitera maromaro no miara-miasa hamelona indray ity lalam-pihariana ity. Ny minisiteran’ny Asa tanana sy haitao miaraka amin’ny minisitera misahana ny Fiompiana no hanarina sy hanavao ny Ivontoerana fiompiana landy eny Mahitsy. Sarihana manokana ny tanora hitodi-doha amin’izany fihariana izany, ary iaraha-miasa ireo talem-paritra amin’ny fitadiavana izay filàn’ny mpisehatra amin’ny fiompiana landy.
Momba ity seha-pihariana ity, efa misy laminasa ahafahan’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana manome zana-dandy na atodin-dandy ho an’ireo mpiompy. Tetikasa iray lehibe koa ny fiarahana amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, ahazoana velaran-tany hovolena voaroihazo sakafon’ireo biby ireo.
Ndrina