Nitondra ny voin-kava-mahatratra avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo olona traboina any amin’ny fokontany Tanandava, kaominina Talata Ampano, distrikan’i Vohibato, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Trano 11 no may tao amin’ity fokontany ity. Maro ireo olona traboina, rava fananana ary tena lasa miainga amin’ny tsy misy mihitsy.
Nitondra vatsy ho an’ireo traboina izay nahitana vary sy voamaina, fitaovan-dakozia sy fitafiana ny fanjakana. Tsy natao hahavita taona fa entina miainga sy miarina ho amin’ny fivelomana sy ny andavanandrom-piainana ihany ireo tohana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Nanentana ny olona ho mailo amin’ny afo ihany koa ny minisitra mba tsy ho very anatin’ny fotoana fohy ny fihariana an-taonany maro. Nampahery ireo traboina ihany koa ny tenany ary nanome toky fa tsy manadino azy ireo ny fitondram-panjakana, indrindra anatin’izao voina izao.
Tatiana A