Antony iray ahatongavan’ny olona eny amin’ny Sampana vonjitaitra matetika ny fahatapahan’ny taolana vokatry ny anton-javatra samihafa. Anisan’izany ny lozam-pifamoivoizana na ny fianjerana na ny dona mafy mahazo am-perinasa, na eny am-panaovana fanatanjahantena….
Miseho amin’ny alalan’ny fanaintainana mafy na fiovan’ny endriky ny faritra tapaka mihitsy ny fisehon’ny fahatapahana. Mety ho mangana ilay faritra manaintaina ary mety hisy fiovana hita maso ety ivelany. Mety hivonto ihany koa ary voafetra ihany ny fihetsika azo ataon’ny marary.
Mila hoentina hopitaly haingana ny olona tapaka fa tsy andrasana fotoana ela.
Manana ny sampandraharaha manokana misahana izany ny CHU HJRA. Ao amin’izany sampandraharaha izany no mahazo ny fitsaboana voalohany tokony hatao toy ny fanafody manala fanaintainana, fanaovana fitarafana…
Tonga manatrika eo ny mpitsabo manam-pahaizana manokana momba ny taolana tapaka. Manao fizahana misimisy sy mamaritra ny fitsaboana mifanaraka amin’ny mahazo an’ilay olona. Mizara roa mazava tsara ny fitsaboana azo atao ho an’ny olona tapaka na manana taolana vaky. Ahitsy ilay taolana tapaka ary avy eo atao izay tsy hihetsehany, asiana plâtre toy ny mahazatra na plâtres de Blount, attelle… Eo koa ny fitsaboana tsy maintsy mandalo fandidiana. Omena toromarika momba ny fikajiana ny plâtre ireo marary rehetra toy ny fitazonana azy ho madio sy ho maina.
Tatiana A