Ankizilahy voalaza fa folaka namoy ny ainy. Tsy tana koa anefa ny ain’ny rainy, afakomaly, ary vao maty omaly ny reniny. Ahina ho matin’ny valanaretina pesta izy mianakavy.
Nisehoana tranga hafahafa tao Ambohiperanana, Soanitohizana, fokontany Amberobe, kaominina Andranomanelatra, distrikan’Antsirabe II, ny 24 janoary lasa teo. Namoy ny ainy ny ankizilahy mpianatry ny sekoly fanabeazana fototra ( Epp) Amberobe voalaza fa folaka. Ny talata 28 janoary anefa, olona fito voatery naiditra teny anivon’ny CSB Amberobe satria azon’ny tsy fahasalamana. “Nitovitovy avokoa ny aretina nahazo azy ireo”, araka ny tatitra voaray teny anivon’ny zandarimaria. Tsy tana ny ain’ny lehilahy iray. Rain’ilay ankizy mpianatra teo anivon’ny Epp maty izy.
Niahiahy ny mponina manodidina fa misy trangan’aretina tsy fanta-pihaviana. Nijery ifotony ny tranga avy hatrany ny solontenan’ny tale misahana ny fahasalamam-bahoaka sy ny ekipany. Fantatra fa namoy ny ainy koa ny renin’ilay zaza, omaly faha-29 janoary. Vokany, telo mianaka niray trano niara-maty tao anatin’ny andro vitsy monja.
Nakatona ny EPP
Nakatona vonjimaika ny sekoly ambaratonga fototra ao amin’ny fokontany Amberobe. Nidina ifotony ny ekipan’ny BMH nandraraka fanafody ny toerana rehetra anatin’ny faritry ny sekoly. Nisitraka fanafody avokoa ireo olona enina hafa azon’ny tsy fahasalamana. Nahazo toromarika avy amin’ny tomponandraikitra mba hampiasa arovava orona avokoa sy hanasa tanana amin’ny rano sy savony ireo manan-draharaha eny anivon’ny biraom-panjakana.
Tsiferana R.