Mandroso sy mihemotra: Saba-droa lela ny sekoly sy ny soratra

Tsy mba nanana sekoly rindrina efatra ny Malagasy raha tsy tonga teto ny vahiny. Izy ireo no nampianatra nanoratra rehefa voadinika izay alfabeta hoampiasaina. Samy nitondra fiovana teto Madagasikara na ny sekoly na ny soratra. Samy nanana ny fiantraikany ihany koa.

Taona 1820, nahatongavan’ny Pasitera Jones, avy ao amin’ ny L.M.S, teto Madagasikara no nipoiran’ny sekoly tao Ifidirana. Nihanaka tsikelikely teto an-kibon’Imerina sy tany amin’ny faritra niasan’ny misionera izany. Resy lahatra ny amin’ny tombontsoa azo avy amin’ny fianarana ny Malagasy sasany. Ankoatra ny manoratra sy mamaky teny, niompana tamin’ny fampianarana asa tanana toy ny tefy vy sy rafitra hazo ny fandaharam-pianarana. Tsy nanana fahasarotana loatra tamin’ny fampianarana ireo vahiny, satria, mora mandray zavatra sy kinga saina ny Malagasy.
Nanjary nisy ampahan’olona nahay namaky teny sy nanoratra, teny amin’ny fiarahamonina. « Avara-pianarana » no nian­tsoana azy ireny. Tao ireo afaka niresaka tamin’ny vahiny. Nan­jary nahay taozavatra maro tsy mbola fanaony ny Malagasy. Nihanatevina tsikelikely ny fahaizan’ny Malagasy namolaka ny soratra sy ny nampiasana azy. Fanaovana fifanekena, raha­raham-panjakana, lalàna, sns. Niampy iray indray ny tady mamatotra ny fiarahamonina malagasy dia ny « soratra », noho ny fidiran’ny sekoly.
Nangeja indray taty aoriana

Tsy nijanona teo amin’ny maha kofehy mamatotra intsony anefa ny soratra fa niteraka geja sy nitarika faharavan-javatra maro. Very tanteraka ny fifampitokisana teo amin’ny Malagasy, satria, nanjaka ny fifanekena an-tsoratra. Nizara ho sokajy roa ny fiarahamonina. Tao ireo nihevi-tena fa mahay ka afaka nanambaka ny tsy nianatra (bado). Nohararaotin’ny vahiny izay tranga izay ka nomeny andraikitra na asa ahafahany mangeja na mibaiko ny bado ireo avara-pianarana. Nifahatra tamin’ ny “taratasy” ny fiarahamonina malagasy.
… “Nahay taratasy” ny Malagasy. Ilay silam-pangady navelan’ny dadabe, nanjary tsy lovain-jafy raha tsy eo ny taratasy. Ny antso fanao isaky ny misy lanonana, nanjary tsy fanajana raha tsy misy “fanasana”. Ny filazam-pahoriana fanao an-toho­tsofina, tsy mety intsony sy odian-tsy fantatra raha tsy misy “taratasy filazana manjo”. Ny varomaty fanao am-bava, tsy manan-kery raha tsy atao an-taratasy any amin’ny biraom-panjakana… Nandroso fa nahay nanoratra. Nihemotra fa rava ny soatoavina!

HaRyRazafindrakoto

Partager sur: