Omaly atoandro, tany amin’ny 2 000 Km atsinanan’ny Tanjona Masoala no misy ny foiben’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy hatramin’ny fiandohan’ny herinandro manaraka, raha ny tomban’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Manara-maso ny fizotrany hatrany kosa ny Meteo. Marihina fa andro ratsy fahafito miforona ao amin’ny ranomasimbe Indianina izy io.
Tany amin’ny manodidina ny 160 Km atsimo andrefan’ny Faux Cap kosa no nisy ny foiben’ilay rivodoza Elvis ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Nihena ho 75 km/ora ny rivotra miaraka aminy. Arahina tafiotra 100 km/ora manakaiky ny foibeny.
Nikisaka nianatsimo atsinanana izy ka nahafaka 18 km/ora. Tsy misy fiantraikany mivantana amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara intsony ny fisiany.
Mila mailo kosa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Toliara sy Taolagnaro satria mikorontana ny toetry ny andro. Miverina amin’ny laoniny izany, manomboka anio.
Tatiana A