FAMPIANARANA AMBONY: Mifototra amin’ny laharam-pahamehana dimy

Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny minisitra, Pr Chaminah Loulla. Natolotra nandritra izany ireo vina sy tetikasan’ny minisitera izay an-dalam-panatanterahana sy mbola ho avy.
Tanjona ny fampivelarana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho tena fitaovana fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy. Miompana amin’ny laharam-pahamehana dimy ireo vina. Anisan’izany ny fiantohana ny fahamarinan’ny fizotran’ny fa­na­dinana bakalorea, ny fanavaozana sy fanarenana ny fotodrafitrasa, ny fitondrana tsara tantana, antoky ny fisandratan’ny firenena, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ireo mpampianatra ary ny fihaonambe nasionaly momba ny fampianarana ambony.
Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fanoloran’ny minisitera ireo tetikasa lehibe hanehoana ny fahavononana hanorina hoavy mamiratra ho an’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Niantso ny fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka tsirairay mba hanatanterahana ity vina ity sy hiasa miaraka ho an’ny hoavy tsaratsara kokoa ny minisitra.
Niara-nifanakalo hevitra nandritra ny fihaonana ny so­lon­tena avy amin’ny Vondrona Eoropeana, ny “Service de Coopération et d’Action Culturelle” (SCAC) eo anivon’ ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, ny ” Fonds des Nations unies pour l’enfance”, ny “Agence Universitaire de la Francophonie” (AUF), ny “Agence Française de Dévelop­pement” (AFD) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro hafa.

Tatiana A

Partager sur: