Nisy ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana momba ny ady amin’ny famarinana olombelona. Notanterahin’ny ekipan’ny BNLTEH ho an’ny fikambanana Mitsangana Fa Viavy (MFV) any atsimon’ny Nosy izany. Naneho ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny ary hanambatra ny hery hiadiana amin’ny famarinana olombelona ity fikambanana ity rehefa nahazo ny tsara ho fantatra rehetra.
Nandray ny lehiben’ny sampana politika sy toekarena ao amin’ny masoivoho amerikanina, i Julianna Kim ny BNLTEH. Nampahafantarina fa izy no misahana mivantana ny mahakasika ny ady amin’ny famarinana olona, ka ho mpiara-miasa akaiky amin’ny BNLTEH. Fotoana nanaovana ny tomban’ny asa vita tamin’ny 2024 ihany koa ny fihaonana.
Niverina indray ny zotra Rezionaly Moramanga – Anosibe An’Ala, rehefa nitsahatra nandritra ny taona vitsivitsy. Nasiam-panarenana ny lalam-pirenena faha-23a, mirefy 71 km, mampitohy an’i Moramanga amin’Anosibe An’Ala. Raha kamiao sy kodiaran-droa sisa no afaka nampiasa izany lalana izany teo aloha, efa miverina tsikelikely mitatitra olona kosa ireo fiara taksiborosy, izay efa nitrandraka izany zotra izany hatramin’izay.
Nisy ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny fifindra-monina an-tanàn-dehibe sy ny fahadiovana nataon’ny CUA tetsy amin’ny oniversite UCM, omaly. Fotoana nahafahan’ireo tanora mpianatra nahafantatra ny dingana ataon’ny CUA amin’ny fampandrosoana ny tanàna amin’ny alalan’ireo tetikasa isan-karazany.