Mpianatra 1 388 tao amin’ny ivontoerana ambony momba ny teknolojia (IST) eto Antananarivo no navoaka tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity.
Mpianatra 671 avy amin’ny andiany faha-29, nisalotra ny anarana “Maharitra”. Mpianatra 717 avy amin’ny andiany faha-30, nitondra ny anarana «Kintana». Nahazo ny diplaoma “Techniciens Supérieurs”, “Techniciens Supérieurs Spécialisés de grade Licence” ary “Ingénieur de grade Master” izy ireo.
Nitsinjara tamin’ireo sampana telo dia ny “Bâtiment et Travaux Publics” ny “Génie du Management d’Entreprise” ary ny “Génie Industrielle”.
Marihina fa ny IST dia toeram-pampianarana ambony eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Mitovy lenta amin’ireo oniversitem-panjakana rehetra izy. Ambositra, Antananarivo ary Antsiranana no ahitana IST eto Madagasikara.
Niforona tamin’ny taona 1991 ny IST Antananarivo. Manodidina ny 12 000 ireo mpianatra efa nivoaka tao nandritra izay 30 taona mahery izay. Tsy mitsanga-menatra ny sekoly satria namoaka olo-manga mitana andraikitra lehibe eny anivon’ny orinasa maro eto an-toerana sy any ivelany ireo mpianatra ary misy amin’izy ireo olom-panjakana.
Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Teknisianina ary afaka miantsehatra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa ireo mpianatra nahazo diplaoma ireo.
Tatiana A