Skotisma : Fihaonambe telo hatao eto Madagasikara

Handray fihaonamben’ny skotisma intelo miantoana i Madagasikara amin’ity taona ity. Vahiny an’aliny no ho avy ary fotoan’ny soa fanararaotra rehetra ireo hetsika telo ireo.

Hotanterahina eto Ma­dagasikara ny 12 hatramin ’ny 16 marsa izao ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skotisma, andiany faha 15. Anjaran’i Madagasikara no mampiantrano ireo mpizaika rehetra avy amin’ny firenena manodidina ny 40 aty Afrika. Aman’ aliny, araka izany, ireo skoto vahiny ho tonga eto ka mila miomana amin’ny fandraisana izany ny rehetra.
Hampiantrano ihany koa ny zaikabe faha-19-n’ny skoto aty Afrika, ny 14 hatramin’ny 16-septambra ary indrindra ny fihaonamben’ny tanora skoto, andiany faha-10, ny 18 hatramin’ny 21 septambra i Ma­dagasikara.
Tsy tokony avela handalo fotsiny ireo fotoan-dehibe ireo fa hanetsehana ny soa fanararaotra rehetra ho an’ny tanora skoto amin’ny sehatra isan-karazany.
«Tiavo ny fiainanao araka ny itondranao azy». Io no lohahevitry ny Andro afrikanina ho an’ny skotisma andiany faha-15. Fotoana ampahatsiarovan-tena ireo tanora skoto fa tomponandraikitra feno amin’ny fampanjariana ny fiainan-koaviny izy. Mila mizaka ny ezaka natao indrindra mba ho tonga mpandray anjara amin’ny fanovana amin’ny fahatsaram-piainana eny anivon’ny fiarahamonina misy azy avy.
Raha ny antontan’isa, maherin’ny 4,5 tapitrisa ny skoto mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny skoto nasionaly aty Afrika. Fanomezan-danja ny anjara-toeran’ny Skotisma, amin’ny fanabeazana ny zaza sy tanora eto Afrika ny fihaonana.
Ny skotisma dia tsy mijanona amin’ny lasy na fiainana ankalamanjana, na dian-tongotra, na fisalorana fanamiana sy fehitendra fotsiny ihany, fa famolavolana ny toe-tsain’ny zaza sy tanora 5 ka hatramin’ny 25 taona miorina amin’ny lalana sy fanekena. Ny ahatonga azy ireo ho tomponandraikitra feno ho an’ny tenany, andrin’ny fianakaviana, mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena no tanjona.

Tatiana A

Partager sur: