Efa mampihomana sahady ny fiantraikan’ilay andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Tombanana hipaka any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanan’i Madagasikara izy io, rahampitso.
Omaly tolakandro, tany amin’ny 730km atsinanana somary atsimo atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ilay andro ratsy. 55km isan’ora ny rivotra entiny. Mikisaka miankandrefana izy amin’ny hafainganam-pandeha 20 km isan’ora. Mitombo hery hatrany izy ka heverina hivadika ho rivodoza, anio maraina.
Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Maroantsetra sy i Mahanoro ity rivodoza ity, rahampitso, amin’ ny tanjaka mahery vaika (tafiotra 12à km isan’ora)
Mampihatra ny fampilazana loza manambana miloko mavo ny ao Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana ary Antalaha. Fanairana miloko maitso kosa ho an’Alaotra Mangoro sy Mandritsara ary Befandriana Avaratra.
Io andro ratsy io, araka izany, no hamaritra ny toetry ny andro any amin’ny faritra Avaratra-Atsinanana sy Afovoany Atsinanan’ny Nosy. Ho betsaka ny rotsakorana any amin’ireo toerana izay handalovan’ity faritra andro ratsy ity. Hanoram-baratra kosa any amin’ny faritra hafa. Hisongadina ny fidinan’ny maripana ambony any amin’ny ilany afovoany atsinanana, avaratra-atsinanana, avaratra, avaratra andrefana ary ny afovoan-tany.
Tatiana A