INDRAY MIJERY

Nampitandrina ny Meteo Madagasikara fa tsy tokony hiandriaka intsony ireo mpanjono sy mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Vohemar sy i Mananoro, manomboka rahampitso. Antony izany, ialana amin’ny loza mety aterak’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Tsy tokony hiverina intsony ny tranga tany Atsimo nahavery ireo lakana ninia nanjono.

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny Amphithéâtre ho an’ny firaisankina ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Mahazaka mpianatra manodidina ny 700 ny fotodrafitrasa vaovao. Porofon’ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanomezana toerana mendrika sy sahaza ary manara-penitra ho an’ny tanora ny fahavitan’ny asa.

Niantso ny fisokafan’ny fiaraha-miasa amin’ny ankolafin-kery rehetra ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Herilala, nandritra ny fiarahany miombom-bavaka tamin’ny mpino tao amin’ny FLM 67 Ha, omaly. Anisan’izany ny fiangonana, tanora, fikambanam-behivavy, fanabeazana.

Mampahatsiahy ny tomponandrikitry ny fitaterana an-tanety ny amin’ny tokony hahatomombana ny pitsopitsony rehetra ho an’ireo manao fitaterana amin’ny lalam-pirenena rehetra. Tsy lany andro ny antontan-taratasin’ny fiara, tsy mihoatra ny isan’ny mpandeha ary tokony mifanaraka tsara amin’ny lalana izay nahazoana alalana ny toerana handehanana.

Partager sur: