Miha manafika ao an-toerana ilay rivodoza Faida. Natsahatra ny fampianarana ao amin’ny Dren Atsinanana manontolo. Ho betsaka ny rotsakorana ka mila miomana amin’izany ny mponina.
Namoaka naoty ny prefektora ao Toamasina hampitsaharana ny fampianarana ao an-toerana, ho fiarovana ny ain’ny mpianatra anatin’ny fandalovan’ilay rivodoza Faida. Nivory ny Komitim-paritra mitantana ny loza sy ny tandindon-doza (CRGRC) Atsinanana, noho ny fivoaran’ny toetr’andro, nandraisana izay fepetra izay nanomboka omaly.
Miankina amin’ny fivoaran’ny toetr’andro sy ny zava-misy eny anivon’ny Cisco kosa ny hamerenana ny fampianarana indray. Apetraka amin’ny fahalalahan’ny lehiben’ny Cisco ny fanapahan-kevitra amin’izany.
Efa nikija ny orana hatry ny omaly. Ireo nanana zaza mbola kely dia efa tsy nandefa azy ireny an-tsekoly, raha ny hita tany an-toerana. Nisy koa ny sekoly sasany mbola ninia nampiverina ny mpianany ihany, omaly hariva, na dia efa nilatsaka aza ny naoty noraisin’ny prefektoran’ny tanàna.
Ialana amin’ny loza mety hahazo ny mpianatra eny an-dalana mandritra ny ora-mikija sy ny tafiotra no anton’ny fampitsaharana ny fampianarana rehefa misy loza voajanahary toy izao.
Hiditra an-tanety anio ilay rivodoza Faida
Efa mampiomana ny Meteo Madagasikara fa hiditra an-tanety anio maraina, eo anelanelan’i Ste Marie sy Brickaville ilay rivodoza Faida. Omaly hariva, tany amin’ny 180 km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny, miaraka amin’ny tafiotra 100km isan’ora. Mikisaka mianandrefana izy ka nahafaka 18 km isan’ora.
Efa mipaka amin’ny morontsiraky ny faritra afovoany atsinanana ny rahona miaraka amin’i Faida. Hitondra rotsakorana betsaka (mihoatra ny 100mm/24 ora) izy amin’ny faritra rehetra holalovany.
Nahazo fampitandremana, miloka mena, mahakasika ny habetsahan’ny rotsakorana ny faritra Diana, Boeny, Betsiboka ary ny distrikan’i Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny sy Mampikony. Filazana fampitandremana, miloko mavo, kosa ho an’Analamanga.
Tatiana A