Efa vonona ny toerana handraisana ireo fianakaviana traboina mandritra ny fihavian’ny rivodoza Faida. Efa afaka mandray ireo olona izay te hifindra toerana ny ao amin’ny Gymnase Soavita, Dojo Soavita, ny Foyer sociale canada, ny CJST ary ny Salle d’oeuvre Sainte Thérèse. Isorohana ny loza ho an’ireo marefo no hiomanana dieny mialoha.
Hatsaraina hatrany ny lohahevitra sy ny vontoatin’ny fanofanana omena ny koperativa mpitatitr’olona. Ny familiana fiara amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny rivodoza izao, ireo zavatra tokony hatao raha sanatria tojo tsy fandriampahalemana eny amin’ny lalam-pirenena no taranja nanofanana ireo mpamily sy tompon’ny fiara tao amin’ny ATT Soarano. Ny zotra mankany Ambohimangakely, Sabotsy Namehana, zotra nasionaly mampiasa ny tapany avaratry ny Nosy no nisitraka izany.
Nihaona tamin’ny filoha lefitry ny fikambanana Albinos Madagascar, i Josvah Maheny, i Temagnombe Cyria, i Christelle Stefano Rakotoniaina, CEO Miss Madagascar, ary ny tomponandraikitra eo anivon’ny faritra, Randriamaro Jeanne Faratiana. Voaresaka, tamin’izany, ny hitondrany ny feon’ireo ankizy manana toe-tena varira amin’ny Miss Monde.