Badminton – Afrique 2025 : Misy mpilalao avy any Frantsa hanatevina ny ekipa malagasy

Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton, hatao any Cameroun, i Madagasikara. Mpilalao 6 mianadahy no handeha hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany ka misy mpilaravinahitra any Frantsa iray handrafitra ny ekipa nasionaly.

Raha tomombana avokoa ny fikarakarana rehetra, anisan’ireo firenena hanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny taranja badminton, i Madagasikara. Fihaonana ho­tanterahina any Douala Ca­meroun, ny 10 ka hatramin’ny 17 febroary ho avy izao. Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana izany ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena.
Hisy mpilalao mpilaravinahitra mipetraka any Frantsa iray hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny alalan-dRamanana Rahary Lalaina. Izy no laharana voalohany.
Tsy olom-baovao amin’ny tontolon’ny badminton malagasy i Lalaina fa efa nandrafitra ny ekipa nasionaly ary efa niatrika ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, ny taona 2023. Nandrombaka medaly alimo teo amin’ny isan-tarika sy ho an’ny olon-droa miaraka lehilahy izy ta­min’izany.
Raha ny traikefany sy ny lalao hatrehiny isan-kerinandro any ivelany, inoana fa hi­tondra fanantenana handrombahana medaly ho an’ny Malagasy. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ravalison Jean Aimé, fa hitondra mpilalao 3 vavy sy 3 lahy ny Malagasy amin’ity.
Anton’izany, hifaninana eo amin’ny isan-tarika sy ho an’olon-tokana ny Malagasy
amin’ity. Hanana ny lanjany lehibe ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika. Misy mantsy ny antsoina hoe : “Ranking list” hakana isa sy filaharana ho an’ireo rehetra handray anjara amin’izany.

Tompondaka

Partager sur: