Fanadinana momba ny zon’olombelona : Mitaky ezaka ny mahakasika ny demokrasia

Maro ny asa tanterahin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona eto Madagasikara. Tsara toerana i Madagasikara saingy mila ezaka ny momba ny demokrasia.

Navoakan’ny minisiteran’ ny Fitsarana omaly ny tatitry ny fanadinana ara-potoana ho an’ireo firenena rehetra momba ny zon’olombelona na EPU izay natao tany Geneve. Natao ny tombana amin’ireo ezaka vita sy ny mbola hatao ho amin’ny fampiroboroboana ny fiarovana ny zon’olombelona eto Madagasikara. Natokana ho an’ny taona 2019-2024 izany ka nitarika ny delegasionina ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis.
Nisongadina tamin’ny fa­na­dinana ny hanatsarana ny lafiny demokrasia sy ny zo hi­aina anaty fandriampahalemana sy filaminana. Ny zo so­sialy hisitrahana rano madio, ny ady amin’ny fanavakavahana sy ny fanafoanana ireo fa­nasaziana tsy mandalo fitsarana. Eo koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Fi­renena mikambana (ONU) sy ireo rafitra ao aminy, indrindra ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonim-pirenena. Ankoatra izany ny zo hiaina anaty fandriampahalemana, ny fiarovana ny zon’ny reny sy ny zaza, ireo olona marefo toy ny manana fahasembanana sy ireo zokiolona….
Amin’ny ankapobeny, na­ha­fapo ireo firenena nandray anjara tamin’ny fihaonana ny ezaka nataon’i Madagasikara. Maro ireo lalàna sy fandaharanasa, asa mivantana azo tsapain-tanana tanterahin’ny fanjakana malagasy tao anatin’ny efa-taona ka nahazoana fankasitrahana avy amin’ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny ONU momba ny zon’olombelona, araka ny tatitra hatrany.
Asa maharitra ny fampivoarana ny zon’olombelona, toy ny zo sosialy sy toekarena, ka mitaky ny ezaka avy amin’ny tsirairay izany. Mian­ki­na amin’ny zava-misy sy ny eo an-tanana ny fanatanterahana ireo zo ireo…

Tatiana A

Partager sur: