INDRAY MIJERY

Laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ny fikarakarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Nihaona tao amin’ny Digital Center Antaninarenina, omaly, ireo mpamolavola mba hamaritana vahaolana maharitra amin’ny fitantanana izany sy nanaovana tombana ny dingana vita ary ny hanatsarana amin’ny rindrambaiko “Edutic” amin’ny ankapobeny.

Ralihivao Tsitohaina Arthur, anisan’ny voafantina handray anjara amin’ny International Visitor Leader­ship program (IVLP) taona 2025. Miompana amin’ny lohahevitra: ady amin’ny famarinana olombelona, ny fi­sorohana sy fanalefahana ny fiantraikany ny fandaharanasa. Hampivondrona manam-pahaizana amerikanina sy mpitarika maneran-tany mifampizara izy io.

Nisitraka ny vola fampandehanan-draharaha sy tantsoroka an-tsekoly ny taom-pianarana 2024-2025 ireo sekolim-panjakana ao amin’ny Cisco Iakora. Haha­fahana mampihodina ny sekoly sy ny fanabeazana ny tantsoroka ary ilaina hampirisika ny eny ifotony amin’ny asa.

Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny are­tin’ny homamiadana, omaly. Azo tsaboina tsara ny ho­mamiadana raha voatily mialoha ka izany no hanentanana ny fanaovana fitiliana ho an’ireo mahatsapa tranga hafahafa na manana tarazo ara-pianakaviana. Raha mbola tsy voa, Ndao hisoroka aloha!

Partager sur: