Vono olona : fatim-behivavy nifatotra natsikafon’ny rano

Vono olona mahatsiravina ny natao an’ilay vehivavy hita faty teo amin’ny “pont” mainty Toamasina, omaly maraina. Niboridana tanteraka izy ary nifatotra ny tongotra aman-tanany.

Mampivarahontsana ny tsy fandriam-pahalemana ao Toa­masina. Omaly maraina, vehivavy iray sahabo ho 30 taona teo no hita faty natsingevan’ny rano, teo amin’ny “pont” mainty, fokontany Tanambao verrerie. Niboridana tanteraka ity vehivavy ity tamin’ny fotoana nahitan’ny fokonolona azy teny an-toerana. To­kony ho tamin’ny 07 ora maraina nampandre ny tompon’andraikitra samihafa sy ny zandarimaria ny mponina. Nilaza fa nahita fatim-behivavy iray tao anaty rano. Tsy nitafy intsony izy, nifatotra tao an-damosiny ihany koa ny tongotr’aman-tanany. Ankoa­tra izay, mbola feno ratra sy mangana ihany koa ny vatany. Vokany, nidina teny an-toerana ny zandarimaria sy ny dokotera nijery ny zava-nisy sy nanokatra fanadihadiana ny raharaha.

Fantatra
Maty ny alin’io ihany ity vehivavy ity, hoy ny mpitsabo, nijery azy. Ora vitsy taorian’ny nahatongavan’ireo mpitandro filaminana, tonga teny an-toerana ny fianaka­vian’ny maty. Nohamariny fa havany tokoa ilay vehivavy hita faty. Avy eo, noentina namonjy ny trano fonenana ilay vata-mangatsiaka. Olona avy ao an-toerana ihany ilay vehivavy tra-doza ity saingy tsy salama saina izy. Hatreto tsy mbola fantatra ny anton’izao habibiana mahatsiravina izao. Tsy mbola misy ihany koa ny olona voarohirohy nahavita izany. Anatin’ny famotorana lalina ny mpitandro filaminana. Nambarany fa tsy nisy trangana fanolanana natao azy fa dia vono olona niniana natao. Ankoatra izay, nilaza ny zandary fa tsy mbola nisy ny filazana olona very na koa tsy hita voarain’izy ireo mialoha ity tranga ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: