Hitondra famelabelarana momba ny fanabeazana miabo, fototry ny fandrosoana ny mpampianatra, i Faly Rafieferana. Nambarany fa ilaina ny fanabeazana miabo ho an’ny maha olona.
Lohahevitra hoentiny amin’izany ny “Fanabeazana miabo fototry ny fandrosoana”. Nambarany fa mirodana ny trano rehefa ratsy fototra. Notanisainy ho anisan’ny mahatonga izany ho miiba fa tsy miabo ny fifandrahonana ka difotry ny tahotra ny rehetra. Ilaina atsahatra, noho izany, ny fampitahorana. Eo koa ny fialonana ka tsy maha tafasondrotra antsika. Mifampialona ny mpiray tampo, ny iray fiangonana na fikambanana. Manampy izany ny hakamoana sy ny te hahita vokatra eo ho eo. “Fototra ratsy mampihemotra izany. Mila miasa sy tena miasa ary miasa tsara isika ao anatin’ny fahamarinana sy tsy mifamitaka”, hoy izy, tetsy Analakely, omaly. Nentaniny ny rehetra hanana fahasahiana amin’ny atao ka hiara-kifarimbona amin’izany.
Nomarihiny kosa anefa fa tsy fanabeazana any an-dakilasy ka ahazoana mari-pahaizana ny resaka eto. “Fanabeazana ny olona manontolo hiaina ny fahamarinana sy hifanaja ary ho sahy sy madio no hataontsika sy tokony hapetraka”, hoy ihany izy.
Nambarany ho anisan’ny dingana hahatongavana amin’izany ny hetsika famelabelarana ho an’ireo liana rehetra etsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny alahady izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina.
Hanondrotra ny tsirairay sy ny firenena…
Nanteriny fa tsy anavahana finoana sy firehana politika na fihaviana sy saranga izany. Tsy misy rahateo ny vidim-pidirana na ny rakitra fa tena maimaimpoana, natao ho an’ny rehetra. “Mila mihaino ny fanabeazana ny maha olona isika”, hoy izy. Nanterin’izy ireo fa tsy misy resaka fitadiavam-bola na fizaram-bola izany saingy sarobidy lavitra sy lafo noho izany io fanabeazana io. Hanondrotra ny tsirairay sy ny fiarahamonina ary ny firenena, ankoatra ny tombontsoa ho an’ny tenanao izany. Niaiky anefa izy ireo fa anisan’ny tsy mampahomby antsika ny tsy fampiharana izany. “Tsy maintsy miova sy mandroso ary mivoatra isika tsirairay rehefa mampihatra izany na ampahany kely aza amin’ny fampianarana”, hoy ihany izy ireo.
Synèse R.