Kaominina Ambato, Ambohidratrimo: Hampandrosoina ny tanàna sy ny mponina

Nandray ny fitantanana ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrika Ambohidratrimo, ny ben’ny Tanàna vaovao, Rakotondravao Sarobidy, avy amin’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). Tontosa ny alatsinainy 03 febroary 2025 lasa teo ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna teo aloha. “21 taona ny kaominina Ambato, distrika Ambohidratrimo, tsy nahitana fiovana ka fotoana izao hitondrana fampandrosoana”, hoy ity ben’ny Tanàna vaovao ity. Tsy hita ny fiovana nentin’ny teo aloha nandritra ny fe-potoam-piasana inefatra nitondrany ny kaominina, raha ny zava-misy nambarany. Nampanantena fampandrosoana ho an’ny kaominina sy ireo vahoaka ary indrindra eo amin’ny tantsaha monina any an-toerana kosa izy, raha ny fanambarana nataony tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Atao anaty firahalahiana sy fihavanana ary firaisankina izany mba ho fanompoana sy fampandrosoana ny kaominina. Vonona hiasa avy hatrany, asa voalohany sy laharam-pahamehana hataony ny fikarakarana taratasy sy fanomanana vahaolana maika amin’ireo olana mahazo ny vahoaka eny ifotony. Firaisankina no hery, fihavanana no fototra, ary fandrosoana no tanjona. Ambato tsy maintsy mandroso, io no teny filamatra entina manatanteraka ny asa.

Mino

Partager sur: