Fanatsarana an’Antananarivo : Santatry ny fiovana ny eny amin’ny boriborintany

Mitety ireo mpiara-miasa amin’ireo boriborintany 6 ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala. Mijery ny fanatsarana tokony hatao sy manome toromarika ireo mpiara-miasa ny tenany amin’izany. Nam­ba­rany fa miainga eny amin’ny boriborintany izay akaiky ny vahoaka ny fiovana. Tokony ho hita taratra izany na amin’ny fahaizana mandray olona na ny firindran’ny asa ary tokony hihena ny fitarainan’ny olona faheno hatramin’izay.
Ho an’ny boriborintany fahadimy izay misy fokontany 27, anatina velaran-tany 23,5 km2 ary misy mponina 436 000 mahery, laharam-pahamehana ny fanatsarana ny tolotra. “Manomboka eny amin’ny boriborintany ny fanatanterahana ny vina izay tanàna mahafinaritra sy maha te honina”, hoy ny ben’ny Tanàna.
Tao amin’ny boriborintany fahefatra indray dia nanamarika ny tenany fa hamatsy fitaovana enti-miasa hanomezana fahafaham-po ireo manan-draharaha amin’ireny boriborintany ireny. Tsy haharitra ela intsony ny fanaovan-taratasy ary tsy hivezivezy loatra ny olona satria sarobidy ny fotoana.
Mitohy ny fitetezana ireo mpiara-miasa amin’ny sehatra hiadidian’ny kaominina hahafahana mijery ny lesoka sy ho fanatsarana mba hanafainganana ny fampandrosoana an’Antananarivo izay tarigetra rahateo.

Tatiana A

Partager sur: