Fanabeazana sy kolontsaina: Sarotra hatoro sy hanarina ny tanora ankehitriny

Vanim-potoana anisan’ny hitrangan-javatra maro ny ankehitriny. Anisan’ny iharan’izany ny tanora sy ny fanabeazana azy ireo. Matetika no tsy voaray ny hafatra.

Ny tanora, hono, no antoky ny hoavin’ny firenena rahatrizay. Amin’izao vanim-potoana izao, ahitana azy ireny, miady irery. Ny hafa indray, miantso vonjy ihany fa tsy misy mihaino. Ny sasany, manatanteraka ny hitsin’ny sainy. Sarotra hanarina sy hatoro. Io tranga farany io matetika no miteraka tranga manimba ny ankohonana sy ny fiarahamonina ary ny firenena iray manontolo.
Manana tanora mihevi-tena ho «zavatra» i Madagasikara. Be diplaoma? Manam-bola sy harena? Miasa amina toerana «ambony»? Kinga saina sy fetsy? Tsy mataho-maty (feon’ny fieritreretana, vatana, fo, saina amam-panahy)?… Ny fananana azy ireo no mahatonga ireto sokajina tanora ireto ho sarotra hatoro sy hanarina.

Antitra mampiady kalo…
Anisan’ny fahendrena malagasy tsy ho azo kosehina eo amin’ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy na rahoviana na rahoviana ny «ny ela nihetezana lava volo». Raha mbola tsy mametraka ny raiamandreny, zoky fotsy volo amin-tany, eo
amin’ny toerana sahaza azy ny tanora. Sarotra ny handrosoan’i Madagasikara.
Fahiny, isaky ny vanim-potoana lehibe, mitsodrano ny zandry, zanaka, sns, ny raiamandreny. Ankehitriny, tsy tazana in­tsony izany. Aleon’ny tanora manatanteraka «fety», toy izay haka tsodrano any amin’ny raiamandreny. Satria, tsy fantany intsony ny hery sy hasina lehibe fonosin’ny tsodrano?
Fositra goavana manimba ny tanora malagasy, ankehitriny, ny filazan’izy ireo fa :«ny fiainanareo atao izay maha mety azy fa aza miditra amin’ny fiainanay». Izany hoe, na ny hevitry ny «anatra» aza tsy hain-dry zareo intsony!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: