“Hip-Hop Session”, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Anio, manomboka amin’ny 1 ora ny fotoana, iarahana
amin’ireo efa fanta-daza toa an-dry Buddha El Taga, Samantha & Kayah, Doubl’Enn, Laz, Netyk, Typik, Septic, Ti-Ah, sns. Seho ifandimbiasana, eo amin’ny Esplanade, izay toerana manan-tantara eny amin’ny Oniversite izy ity. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversiten’Antananarivo rahateo ny hetsika.
“Malagasy aho”, hetsika hanamarihina ihany koa ny “Iray volan’ny teny malagasy” sy amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny Fetin’ny Fahaleovantena izao izy ity. Hotontosaina anio tontolo andro, etsy amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely. Hisy ny fifaninanana “sora-tononina” ny maraina, arahin’ny fampiofanana dihy malagasy hataon’ny Cie Rary. Ny hariva kosa ny antsan-tononkalo arahina tendry valiha, hataon’ ny fikambanana Havatsa-Upem sy ny Hira And’Art Mpamaliha.
Manana toerana ambony ny hainahandro malagasy. Efa asain’ireo solontenan’i Afika hiatrika ny “International Catering Cup”, izay hatao any Lyon, France, ny taona 2027 aloha ny ekipa Malagasy. Mety ho tombony tamin’ny ekipantsika rahateo ny nanaovana ny fifanintsanana ho an’ny solontena afrikanina, ny faran’ ny herinandro lasa teo, teto an-toerana. Na izany aza, efa ela no nivonona ny ekipan’ny Chef Herizo Rakotoniaina, ary manome torohevitra sy manaraka akaiky azy ireo ihany koa ny Chef Lalaina Ravelomanana.
Hita maso ny fahasimbana ao amin’ ny Tranoben’ny Serasera sy ny kolontsaina, ao Ambatomena Fianarantsoa, Faritra matsiatra Ambony. Nijery sy nahatsapa ny tsy fahafahana mampiasa ny fotodrafitrasa ny minisitra. Ny 30 jolay 2021 no notokanana izy ity, izay tsy maintsy hatsahatra ny fampiasana azy, 5 taona aty aoriana. Milaza ny hiroso amin’ny fitoriana ireo izay tompon’antoka ka nahatonga ny tsy fahatomombanana ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisitera.




