Notontosaina, omaly, tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny lanonana fanomezana fitaovana sy mari-pankasitrahana ho an’ny tanora niatrika fiofanana momba ny asa niomerika, na ny tetikasa “D-Clic”. Miisa 11 mianadahy izy ireo no nisitraka izany teny an-toerana. Ny fitaovana niomerika toy ny ordinatera, ny finday … no nomena azy ireo tamin’izany.
Marihina fa nokarakarain’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny frankofonia (OIF) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), tarihin’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah, ity hetsika ity. Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny tetikasa. Mifanaraka amin’ny Paikady nasionaly ho an’ny tanora na « Fanoitra » ihany koa. Paikady mikendry ny hampiroborobo ny fahazakan-tenan’ny tanora sy hanampy azy ireo amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa sy ny tontolon’ny fandraharahana.
Tsara ny mampahatsiahy fa nanomboka ny volana desambra lasa teo ny fiofanana, ary miisa 80 ireo tanora nandray anjara tamin’izany. Avy eto Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga ireo tanora ireo. Nisy tamin’izy ireo no niatrika fampianarana ampitain-davitra.
Fitia Randria