Fahasalamana: Voazara ny andraikitra, omena sehatra ny eny ifotony

Naharitra telo andro ny fihaonan’ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana, niarahana tamin’ireo fitaleavana ao amin’ny foibe sy ny isam-paritra, notarihin’ny minisitra, Randriamanantany Zely.
Tanjona ny hisian’ny fizarana andraikitra mazava eo amin’ireo mpiara-miasa rehetra hanasongadinana ny vokatra. Nivoitra tamin’izany ny tokony hanamafisana sy ha­na­tsarana ny fitantanana ny seha­tra ara-pahasalamana hiainga eny ifotony. Tan­terahi­na ny politika ankapoben’ny fanjakana izay mijery ny maha olona, ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, ny fisorohana amin’ny aretina, ny fampiroboroboana ny sehatrasa manodidina ny fahasalamana ary ny asam-panjakana tsara tantana sy lavitry ny kolikoly.
Miainga amin’ny zavatra eny amin’ny vahoaka ary miainga amin’ny olana eny ifotony no hamaliana ny tolotra homena. Ilaina ny hevitry ny mpiasa eny ifotony. Ireo talem-paritra rehetra no hidina mihitsy eny ifotony. Mihaona amin’ireo dokotera eny amin’ny CSB sy ny mpanentana ara-pahasalamana maka ny hetahetan’izy ireo amin’ny fanatsarana sy ny olana mila vahana haingana.
Zava-dehibe ny fizarana andraikitra mazava mba hipaka eny ifotony tanteraka ny asa atao fa tsy lany andro ambony latabatra fotsiny.

Tatiana A

Partager sur: