INDRAY MIJERY

Nasiam-panavaozana ireo tahirin-kevitra entina manofana, manaraka ny toromarika avy amin’ny OMS, ny taona 2023. Mahakasika ny fandraisana an-tanana ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony sy mahery vaika tsy misy fahasarotana izy io. Nezahina hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara izany. Vita hatramin’ny 80% ny asa fanavaozana.
Mamaramparana ny asa etsy amin’ny gara G5 Ivandry La City, ny ekipa mpanamboatra ny fitaterana an-tariby. Handroso amin’ny andrana teknika amin’izay ity zotra ity. Hisy ny didim-panjakana mahakasika ny fepetra maro amin’ny fanorenan-trano sy ny fiarovana ny mponina amin’ny toerana lalovan’izany.
Mitohy anio ny fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza atao eny amin’ny CHU Andohatapenaka. Mbola tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny homamiadana hatrany ny hetsika. Misy koa ny fitiliana ny VIH/Sida eny an-toerana.
Ao anatin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao, mila ampitomboina ny fahamailoan’ireo mpampiasa lalana. Malama ny arabe, mihotsaka ny lalan-tany, tampoka ny ranontrambo miteraka rano mandifotra sy manosika mafy. Ireo mpandeha an-tongotra, mila mailo amin’ny tatatra tsy misarona, herinaratra milatsaka amin’ny tany…

Partager sur: