Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira ary tena sahy miteny fa tsy mba laharam-pahamehan’ny fanjakana izy ireo. “Misy ny tsimatimanota ary matimaty foana izahay”, hoy ny filohan’ny fikambanana Soja Fulgence.
Mafy ny taona 2024 ho an’ny fikambanana manana toe-tena varira. Niha mivaivay ny tsy fandriampahalemana. Nahatratra 24 ny tranga fakana an-keriny sy fanaovana herisetra ary 12 no namoy ny ainy. Tsy mbola hita popoka ny iray hatramin’izao.
“Tao anatin’ny 5 taona nisesy, tena lasibatra izahay”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Soja Fulgence. Ny taona 2022 nisy tranga herisetra 25 nihatra taminay ka 7 no maty. Ny taona 2023, 21 ny tranga ary 5 ny maty.
Zaza ny ankamaroan’ireo maty. Miaina anaty horohoro sy tahotra ny ray aman-drenin’ireo zaza manana toe-tena varira.
Tsy laharam-pahamehana amin’ny fitondram-panjakana ny ain’ny olona manana toe-tena varira. Misy laharam-pahamehana hafa mahamaika ny fanjakana. Porofon’izany ny tranga tsy fanasaziana ireo olona efa tratra nanao ny fakana an-keriny sy namono.
“Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana izahay mba hatao mazava tsara ny raharaham-pitsarana ireo olona ireo”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana.
Raha ny tranga tany Tsihombe, tsy hita ny lohan’ilay zaza, tratra ny olona nanao ny famonoana, kanefa afaka herinandro dia nivoaka ny fonja ilay olona ary izy indray no mbola mampihorohoro ny iray tanàna sy ny ray aman-drenin’ilay zaza maty. Very fanahy mbola velona ny olona manana toe-tena varira. Satria, manjaka loatra ny tsimatimanota.
Ao Androy, Anosy, Atsimo Andrefana ary Atsimo Atsinanana no tena ahitana ny tranga tsy fandriampahalemana amin’ity halatra sy fakana an-keriny ity. Nisy ihany tranga iray avy tany amin’ny faritra Bongolava sy Amoron’i Mania ary Vatovavy.
Tatiana A