Fampianarana ambony : Jerena ny fizarana vatsim-pianarana

Manatanteraka ny toromariky ny filoham-pirenena ny amin’ny fijerena manokana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Nidina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo nijery akaiky ny fikarakarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, niaraka tamin’ireo ekipa teknika. Tao amin’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo, ny fakiolten’ny siansa ary ny sekoly ambony politeknikan’Antananarivo eny Vontovorana izy ireo nijery ny fizotran’ny raharaha. Nomena toromarika ireo tomponandraikitra rehetra amin’ny fanentanana ireo mpianatra mba hanaja ny fe-potoana amin’ny fisoratana anarana sy hanome ireo mombamomba azy mari-pototra ary hanaraka ny dingana samihafa tanterahina amin’ny fotoana fikarakarana ny vatsim-pianarana. Aorian’izay vao manomboka ny dingana ataon’ny minisitera telo tonta misahana manokana ny vatsim-pianarana.
Nilaza ny minisitra fa tokony ho samy tomponandraikitra amin’ny asany ny tsirairay ary hiara-hientana amin’ny ezaka sy fikirizana hanatrarana ny vina. Isorohana ireo lesoka sy fahatarana lava amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana no tanjona.

Tatiana A

Partager sur: