Fampianarana ambony -Toamasina: 15 taona ny fakiolten’ny Fitsaboana

Nankalaza ny faha-15 taona nijoroany, nandritra ny roa andro, teto Toamasina, ny sampam-piofanana Fitsa­boana, eo anivon’ny Oniver­siten’ i Barikadimy Toama­sina. Notarihin’ny dokotera zokiolona eo anivon’ny sampam-piofanana, Ramawana­soa Marinette, sy ny teo anivon’ny fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny hetsika. “Ny fahasalaman’ny daholobe ho an’ny faritra Atsinanana” no lohahevitry ny fankalazana. Nahitana fifampiresahana sy fandinihana ary adihevitra hanatsarana ny lafiny fahasalamam-bahoaka. Anisan’izany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny aretina mitarazoka, ny aretin-tsaina ary ny aretina mila fandidiana.
Nasongadina koa ny lalana nolalovan’ny fakiolte tao anatin’ny 15 taona sy ny paikady hoentina manatsara ny 15 taona manaraka. Afaka mandefa mpianatra ho dokotera miisa 15 isan-taona ha­nao fianarana manokana any Antananarivo ny fakiolte. Tafiditra ao koa ny fampiofanana “paramédicaux” ka efa nahatratra 370 no nivoaka tao, araka ny fanazavan’ny dokotera Ramawanasoa Marinette hatrany. Ny taon-dasa, nahazo profesora miisa dimy ny fakiolte, ary 113 ny dokotera specialisé navoakan’ny Oniversiten’ i Toamasina.
Mpampianatra 18 no nisahana ny fampianarana teny am-boalohany, izay nahitana mpianatra miisa 113. Ankehi­triny, 1 200 ny mpianatra ka mpampianatra miisa 68 no misahana izany.

Sajo

Partager sur: